BYE BYE FA TSISY HEVITRA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
BYE BYE FA TSISY HEVITRA

Hay ve ny lehilahy, mba mahatsiaro maharary e
Rehefa ilaozam-behivavy, dia maro ireo mijaly
Tsy mahinan-kanina, mihamahia isan'andro
Ary ny sasany aza moa dia indro lasa mivari-lavo.

Misy mikoretaka, rehefa injay mitoetra irery
Tsakotsakoin'ny nenina, ka mahatsiaro hoe tena very
Misy mandohalika, miforitra mivavaka
Efa ho amam-bolana, mbola manantena valin' hataka.

Io vehivavy io lehiretsy a, rehefa tia dia mahalefitra
Fa rehefa izy izay no lasa ... "bye bye" fa tsisy hevitra !

*** fanasina7 ***
041209191220
(mpanoratsora-poana)

Rohy Pejy Fesiboky :
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana - Fitiavana
1304 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0859