ILAY EKS-MALALA - fanasina7
Hitako androany, ilay sipako taloha
Tena menamenatra sy nisafosafo loha
Tsy nampoizina mihitsy ilay fifanenàna
Na 'zaho koa sanganehana sy nihanahàna.
Hay va re ka iny no vehivavy lasa vadiny e
Iny ve ilay sipa nanariana ahy ambongadiny !
Indrisy ry fiainako, raha mba fantatro taloha
Dia tsy nanao adaladala aho, ilay saika hamoy fo !
Fa tsy tarehy tsy bika, raha atao ara-bakiteny
Fa na ny endrika sy fiakanjo, tena efa raneny
Nijanona mihitsy aho, nitodika avy afara :
'Ty niafaranao indrisy, ry "eksa-malala" !
Tsy mbola faly toy ny androany aho, hatramin'izay niainako
Fa nivaly ny fivàvako, tamin'irony fitarainako.
*** fanasina7 ***
051701202155
(mpanoratsora-poana)
- partage autorisé -
Hevitra mandeha
hery (18/01/2020 12:13:32)
Mahafinaritra ahy foana ny tononkalon'i fanasina7 lolll
Milay e
Mombamomba
Mpanoratra : fanasina7

Nampiditra : fanasina7
Daty : 18/01/2020
Mpamangy : 974
Mankafy : 2
Tononkalo hafa
HAHADIMBY ANARAN-DRENYMANALA BARAKA VEHIVAVY
BYE BYE FA TSISY HEVITRA
ODY FITIA TENA MANDAITRA
NY ADIN'NY MPIVADY
KIFOSAM-PIALONANA
Modia ianao ry zanako
HANDEHA IANAO
FOIKO
FITIA VIRIJINY