Romi Voos (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rodana ianao, fa tsy nisy mba nitsetra
Niàla maina avokoa, ny akôlitanao rehetra
Na ilay filoha "werawera", nolelafinao vody
Tsy nahavita n'inon'inona, mba nitondra anao nody.

Ny fitsaràna eto Dago, no mety azonao vidiana
Fa raha ny any an-dafy any... tena tsy azonao kôtiana
Ny eto na ny mainty aza, tena azonareo fotsiana
Fa ny any ivelany any, tsy hisy izany na oviana.

Zakao ary ny hagegena, vitaonao re ny sazy
Any am-ponja sisa ianao, no mba afa-mibalady
Izahay dia mandatsa, f'efa tena mafy loatra
Ity ngidin'ny kapoaka, ampisotroina anay vahoaka.

'Reo namanao koa, azafady mba hafaro
Tsy vitsy izy ireo, fa tena maro dia maro :
Mbola ho avy ny haizim-pito, hamangy azy tsirairay
Ho fantany Andriamanitra, am' zay fotoana izay !

Fa 'reo volamenanay, ahondrany antsokosoko
'Reo hazo sarobidy, 'reo vatosoa maro loko
Manan-jiny avokoa, mbola hanody aoriana
Fa tena efa mamonto tany ... ny ranomasom-pahoriana.

Romi Voos no lazaina, satria izy 'zao no tratra
Fa mbola ho avy tsirairay, ny anjaranareo ao an-dapa !

*** fanasina7 ***
(mpanoratsora-poana)
022002242338
- azo zaraina -
--------
Rohy:
239 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0141