NY ADIN'NY MPIVADY - fanasina7
Azo vakiana?
NY ADIN'NY MPIVADY
Raha mbola azo atao, aleo tsy miditriditra
Amin'ny adin'ny mpivady, hita mifangodiditra
Androany ireo mikorontana, ny ampitso efa milamina
Ianao te hanelanelana indray, no zary lasa fanina.
Tsy mpivadivady foana manko, ny olona ankiroa
Fa misy tsiambaratelo, tsy ifankafoizan'izy roa
Aza gaga raha mahita, lehilahy mandry an-tatatra
Fa mbola iny ramatoa, tamy misintona azy hiakatra.
Misy aza ireo miady, mifanompa teny ratsy
D'ianao mananatra azy indray, no mahazo teny gasy
Koa aleo tsy mitsabaka, mipetrapetraka sy mionona
F'ireo maraina miady, anefa ny alina dia miombona.
Ny fiainan'ny mpivady, dia feno misitery mahafanina
Koa aza maika ny hanambady, izay tsy mahatanty sangodim-panina.
*** fanasina7 ***
052709190247
(mpanoratsora-poana)
Rohy Pejy Fesiboky :
Mombamomba
Mpanoratra : fanasina7

Nampiditra : fanasina7
Daty : 30/09/2019
Mpamangy : 514
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ILAY EKS-MALALAHAHADIMBY ANARAN-DRENY
MANALA BARAKA VEHIVAVY
BYE BYE FA TSISY HEVITRA
ODY FITIA TENA MANDAITRA
KIFOSAM-PIALONANA
Modia ianao ry zanako
HANDEHA IANAO
FOIKO
FITIA VIRIJINY