AMEN (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Vao mitsipalotra ety amiko ‘lay masokelinao
Dia midoboka ny foko, fa babo tsotra izao
Ny fitsikinao moa ‘zay dia tena aoka ery
Fa mahatara avy hatrany ity foko efa tia.
Tsy andriko ny alahady handehanana any am-piangonana
Hitiliako anao indray, samy imaso, tsy an-takonana
Tsy hananako henatr’olona, na tahotra ny Tompo
Fa Izy no mahita, f’ity foko efa donto.

Andray ianao aky rehefa mipataloha !
Fa dia mampitampim-bava, mampisafosafo loha
Dongadonga loatra, tena mampitsiriritra
Ka enti-matory, azo nofy foana, ‘zato endrika amam-bika.
“Ampio ah ore Jesosy ô ! omeo hery mba ho sahy
Hikotikoty azy, hatao silam-panahy
Tena tiako anie izy iny, tena tiako, tena tiako
Ampio aho re Jesosy ô! Tanteraho ity faniriako!”
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
752 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147