You are here: home > Vetso

AMPAHEREZO - fanasina7

Azo vakiana?

Nahoana no tsy hitomany
Raha toa ka ny havan-tsy foy
No indro nandao ny tany,
Lasana any, tsy  ho hita intsony !

Nahoana no tsy hitanondrika
Raha iharam-boina ety ?
Tsy afa-mitraka…milofika,
Raha vita ny anjara fandalovana ety !

Ampaherezo, aza avela ho irery !
Ampionony ry Ray Mahery !
Fa raha tsy Ianao, tsy ho vazivazy,
F’angamba aho ho nanaraka azy !
F’Ianao no toky sy hery,
Fanantenana ho anay…mandrakizay !

Sokajy : Fiderana

Hametraka hevitra

Midira aloha