AMPY AHY (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
AMPY AHY

Tsy hampirafy aho, tsy hiodina
F’hitoetra aminao, hionona ;
Ho lany andro fotsiny, tsy hahita tombontsoa,
Sady ampy ahy ianao, nampahamatotra ny fo.

Anefa…tsy fiononako fe-fiononako
Fa tena olon-tokan’ny fitiavako ;
Ilay iafiana, ilay tsy atoriana,
Satry iondanana, satry iambozonana.

Ny hanakaiky anao hatrany no faniriako ;
Ny anilanao foana no hany fifaliako.

2002F7
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1276 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0101