ASA ALOHA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy misy tsy naseho mba ho hitantsika
…Lafim-piainana maro.
Ka na volana tomaratra sy masoandro mibaliaka
dia naseho mba hifangaro
amin’ny tsetra sy tomany : ranomaso nijohika.

Tantara tsy hay kosehina toy ny holatry ny hay
No indro efa niainana.
Raha izany no hosoratana, ho tonga boky iray :
Dia ho vaka ny fisainana,
Fa hay marobe tokoa izay zava-bita izay !

Dia izao, iainantsika indray ny elanelan-tany,
Fisarahan-toerana.
Ny fitiavantsika anefa toa mifamikitra hatrany,
Toa ho nofy izay hiserana
Satria ny fontsika mifandrohy
Tsy hahatanty an’izany.

Ka hoy aho hoe : « Ho azo antoka ihany
Ny tsy hisian’ny fiafarany
Fa raha miala ety an-tany…
Angamba mbola hitohy…any ? ! »
- Asa aloha ! –

2000F7
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
747 1
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0099