ENY (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hampakatra anao, ambony alitara
No tarigetrako
Ka aleviko lalina, tsy hamelako anjara
Ny lasa ratsy rehetrako
F'ianao no safidiko mba hiara-hizotra
Hamakivaky ny fiainana
F'ianao no efa tiako, amin'ny fo tsotra,
Fo, fanahy sy fisainana.

Ianao no ekeko hotolorako peratra
eo anatrehan'ny maro
Hanononako ilay voady amin'ny fo tsy mirehaka
Amin'Ilay Ray Mpiaro
Ianao no iriko ho antsoin'ny taranako
HOe "Neny a!!!... Neny!!!"
Eny, ianao no tena tiako mba ho renin-janako
Ka hanaovako "ENY"

062206130118F7
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
786 1
Mpakafy: yhardina
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147