FITIA MISY FETRA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Efa resy ka mangina,
Mipirimpirina fa sina,
Fa ianao
Ilay mba olon-tiana,
Sahy nadao,
Namadika ny dina.

Irony voadivoady
Nasesi-tambitamby :
Indrisy…vandy !

Irony safosafo
Narahin-dranomaso,
Nosaronanao ankaso !…

Ireny rehetra ireny :
Fitia tsy ho voatanisa…
No nahatonga ahy ho jemby,
Nanantena paradisa.

Miezaka ny hanadino
Na dia saika tsy nino
Fa hay na ny fitiavana
Misy fetra, misy farany…

« Raha mba fantatro
Fa misy fintana eo alohako,
Dia naleoko,
Làlan-kafa no nizorako ! »

1997F7
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1625 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0097