FITIA VIRIJINY (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fitia tsy novakiana
Ny fitiavako anao
Satria…sarotra torina
Ka voagadra tsotra izao.

Fitia…toa mankadiry
Ka sarotra lazaina ;
Mbola voatahiry…
Anefa, indrisy…tsy ilaina.

Tara loatra ny fotoana
Tokony hilazako azy,
Ka aleo mangina…zary moana
Toy ny olona voasazy.

Dia henatra sy tahotra
No nandratrako ito foko !?
K’ankehitriny tena vahotra
Maheno anao manan-tompo.

E! …hadalàna, hadalàna
No nandratrana fo harary ;
Izao, fitia voaràra no lalàna
Horaketina amin-diary.

2003F7
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1553 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.011