HAMENO NY BANGA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Rehefa trotraky ny dia sy ny asa sesilany
Ka torovandrovana, ila handraiki-hitomany
Aza kivy, mitrakà, fa na inona mitranga
D'efa eto aho malala, hameno izay banga.

Tambitamby, teny mamy, homeko anao mikararàna
Safosafo, orokoroka, fitiavam-be midanadàna
Ka ny raho mainty hisava, ny lanitra ho manga
F'efa eto aho malala, hameno izay banga.

Otra kely; tsindritsindry, talentatsika io
Arahin-kosokosoka rehefa miaraka midio
Ka aza manahy f'ilay fitiavako : fitia tsy kinanga
F'efa vonona aho malala hameno izay banga.

052106132342F7
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
858 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0155