HANORATRA AHO (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hanoratra aho, hanoratra ho anao
Hanambara ny ato am-poko, sy izay rehetra mety ho loko
Lokon’ny fitiavako madio, navaozinao anio.

Hofafako irony lasa, nampitondra fahoriana
Havadiko ny rasa, hosoloiko fitsikiana
Fa tonga ianao nanokatra ny masoko
Nivàva ianao ka namaly izany antsoko
Hoe inty aho tia, mety ve ianao ?
“Eny akia” hoy ny valin-teninao !!

Hanoratra aho, tantaram-piainana vaovao
Hiarahako aminao manomboka izao
Ka raiso ny diary, dia alaivo sary
Fa miari-tory aho, manoratra ho anao !!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
842 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144