HATAOKOA IZANY (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mbola misy hery kely ahafahako mivàza
Hiantso hoe miverena ianao…na dia lavitra aza :
Dia hataoko izany !

Na misy aza henatra olona noho ny hambo izay nazera
Raha izay no hifamerenana…hahasitrana ito tena :
Dia hataoko izany !

Na amy taonina aza ny eso, latsa sy teny maharary
Ka izay no hahafa-po anao…sy hanafoana ito jaly :
Dia ekeko izany !

Fa fitiavako ianao…olon-tokana et an-tany.
Tsy foiko e !…mamy indrindra…toy ny vatomamy
Koa raha ilaina ny ho any…handrava fisarahana
Na zavatra hafa maro…hanohy ny fiarahana :
Dia hataoko izany !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
733 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098