HITONDRA ANAO (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hosoratako ato am-poko,
Hataoko tsara loko,
Ny anaranao tsy foiko,
Mba tsy hohadinoiko.

Hataoko tsara tefy,
Hataoko tsara fefy,
Mba tsy hahafahany milefa :
Tsy hitodihako amin’ny hafa,
Hanadinoiko koa ny lasa,
Fa hibanjinako « ilay kinasa »
Dia ny fiainana ao an-dapa.

Hifampizarana hasambarana,
Na dia hisy hasasarana ;
Mino aho,
Fa ho ela vao hifarana
F’izay no inoako ho fandaharana
Raha isika no tafaraka.

Koa manainga anao indrindra
Mba hiaraka handrindra
Fitiavana mirindra.
Minoa ahy,
Fa ho tretrika tokoa
Ny fiainantsika roa
Ny fitiavantsika koa
Tsy anio sy ampitso ihany
…Sanatria !…
Fa haharitra ho doria !

1997F7
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
787 1
Mpakafy: fanasina7
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0169