HORAKETINA AN-TSORATRA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Horaketina an-tsoratra
Nosoratan'i fanasina7
Aleo horaketina an-tsoratra indray
'Ty ratram-po efa nampikolay
Fa rava tokoa ilay dina sy vina
Ka hisara-dalana isika ry tiana.

Na mafy tsy laitra aza ny hanadino
Ireo làla-niarahana, nifampitosiana
Fiainana efa vita iny, tsy iverenana intsony
Ny foko efa tola, ny saiko efa tony.

Koa aza mihevitra hitampoti-fohy
Fa izay efa tapaka, tsy azo atohy
Fitia vaovao 'zao no atrhina indray
F'efa afa-tsaona anao ny foko ry lahy !

Eny, efa voalevina ka tsy hitsangana intsony
Maty tanteraka fa tsy mody matory
Na ny fitiavana, na ny anarana
Dia efa voahisy X ny varavarana !

Aleo horaketina an-tsoratra izany
Fa ny foko sy ny masoko efa ritra tomany
Hibanjina indray ilay fitia vaovao
Homeko hafanain'ilay ho solonao !

fanasina7 -15 déc. 2010 -
(poème noforonina araka ny fangatahan'ny namana
mba homeny ilay tokony homeny azy)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1488 0
Hevitra mandeha
fanasina7 ( 06/07/2012 07:38)
Mafy tena mafy kosa alou ny nanaovanle bandy anle sipa nangataka tamiko ny hamoronana tononkalo ho azy mba homeny anle bandy io e !!!
lalaiina ( 20/07/2012 06:56)
Le tam 2010 sa le vo haingana ^^
hery ( 26/07/2012 07:28)
lalaiina> ny tantara kosa ange miverimberina e :-p
lalaiina ( 26/07/2012 09:41)
Hery a, sepotra sy teratsemboka hono le bandy nomenle sipa anio tokokalo io :-p
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0146