JE T'AIME MITOBAKA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raraka ny iviko, nangotika ny kiboko
Raha nandalovanao aho !
Nanjavona ny masoko, nipararetra ny akanjoko
Fa toy ny anjely ianao !
Voakaikitro ny molotro, nangovitra ny tongotro
Fa manja loatra ianao aky !
Niverina nitselatra, toy ny raozy vao mivelatra
Ity foko tia andry !
Lazaiko fat s afenina, fa efa tena badenina
‘Ty foko tia mitaraliala !
Ka manonofy anao foana, isan’andro aman-taona
Miara-matory : mifanila !
Asa, rahoviana ianao no hamaly, ‘ty bora-pitia tsy vazivazy
Tsy tana intsony fa voasoratra !
Aza ela aky malala, fa ny foko efa ho lasa adala
Ny “Je t’aime” ato efa mila hitobaka !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1004 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098