MANAINGA ANAO (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa dia nahoana loatra moa e
No nahatonga anao ho toy izao ?!
Mivarilavo amin’ny filàn’ny nofo
Sy ny fandikana ny didin’ny Tompo!
Moa ve mba efa fantatrao
Fa hoentina hotsaraina ianao,
Sady efa akaiky ny andro fitsarana,
Hifarana tsy ho ela ny tantara!

Fa inona loatra moa e
No mbola mahatamana anao? !
Moa ny harena sy ny filan-dera
No tena tsy azonao avela?
Lazaiko anao fa mandalo
Ny eto an-tany be fahavalo.
Tsy aleo mikatsaka Ilay harena ary!
Ampy hiadananao ho doria!

Manainga anao mba hahafoy
Izao tontolo izao tsy mitohy,
Mamitaka anao mba ho very,
Mamela anao ho faty irery!

Manainga anao mba hamela
Ny harenanao, ny filan-dera;
Ny fitiavan-tena, ndao hazera
Fa tsy hahazoanao ny Famonjena.

Manainga anao mba hibebaka
Izao anio izao sao tra-tehaka;
Dieny mbola misy ny fotoana…
Jesosy anie mamela foana !

Manainga anao re mba hino.
Ny fanahinao no hamasino.
Ny fitiavan’i Jeso no banjino,
Ny Hazofijaliany no fihino!

Manainga anao, mampanantena
Fa tsy hanenenanao ny Famonjena
Atolotry Jeso ho fanavotana,
Ny ampinga omeny anao ho fiarovana.
--------
Rohy:
Sokajy : Fiderana
811 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138