NANKAIZA (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nankaiza ny taratasy mba nifampitana
Ny hafatra, dina, …aloatry ny fo?
Toa mitsilopy, tsy hita mazàna :
Moa lany andro ve ?…Efa fomba taloha ? !

Nankaiza ny kalo niaraha-nisioka
No tsy re intsony ny kanto sy soa ?
Nisy namono sa ravan-tafiotra ?
Sa lany andro ve ?…Efa fomba taloha ? !

Nankaiza ny bitsika sy teny mamy
‘Zay mampangorintsina fo, ati-doha ?
Nankaiza e !…Sa efa nandao ito tany ?
Dia lany andro ve ?…Efa fomba taloha ? !

Nankaiza ‘lay maso mataho-banjinina
No tonga mifantoka mankarary ny fo ?
Tsy hita sarihina…tsy azo pihina ?
Ndrao lany andro ve ?…Efa fomba taloha ? !

Nankaiza ny sofina…kinga, malàdy ?
Fa na bitsika na ako…voarainy avokoa !
Nolalovan-tadio ve no lefy sahady ?
Nankaiza e ! Nankaiza…ampahalalao ito foko !

2003F7
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
761 1
Mpakafy: fanasina7
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142