NY HANITRAO (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Eh ! …ny hanitrao ry Malala
Dia zary mahalasa adala ;
Fa ny tenanao rehetra :
Ny hoditra…etsetra,
Dia tena manitra daholo,
Ka satry foana ny hanimbolo
Ity oroko efa donto
S’Ity foko efa vonto
…ny fitiavana anao.

Ny ety ivelany aza izany,
F’angamba anaty tratranao any
Dia manentoento fatratra
Fofo-manitra sy lafatra
Adofadofaky ny fo masina
Noho ny fitiavana ahy “Fanasina”

Eh !…ny hanitrao ry Malala
Dia tena mahalasa adala !
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
804 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0098