NY TRANOMAIZIKO (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha mangalatra aho ;
Vaky trano, hetraketraka…
Fisolokiana, « zato metatra »…
Raha mangalatra aho,
Ka tratra,
Dia higadra.
Ny tranomaiziko tsy aiza
Fa any am-ponja.
Ireo entana nalaiko
Noho ny hadalan’ny saiko ;
Tsy hibedy, tsy handatsa,
Tsy hanozona, tsy hamafa
Ny fandalovako ety !…

Raha mangalatra aho ;
Tsy vaky trano intsony,
Fa ilay mbola ambonimbony,
Dia ny fonao efa manan-tompo.
Halatra hafa kely, tena mampazoto.
Raha mangalatra aho,
Ka tratra,
Angamba
Mety higadra.
Ny tranomaiziko tsy aiza
Fa ao anatin’ny fonao.
Ny fitiavanao nalaiko
Noho ny hadalan’ny saiko ;
Noho ny foko tsy voabaiko ;
Moa mety hibedy, mety handatsa,
Mety hanozona, mety hamafa
Ny fandalovako ety ? !

Aza atao izany, fa gadrao
Ao anatin’ny fonao ;
Dia hamitsaka, tsy hibitaka,
Miandry anao hamoha
Amin-kamoram-po
Amin’ilay fanalahidy « sovenira »
…Fa fitiavana « avantiora » !

f7 (1997)
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1219 1
Mpakafy: yhardina
Hevitra mandeha
lalaiina ( 15/05/2012 06:14)
Halatra hafa kely tena mampazoto hono 😜 ,d aza mieritreritra ny hangalatra zany ^^
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0191