SAHY IANAO LAHY (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sahy ianao lahy, tena sahy
Mandainga ankitsirano sy mamitaka ahy
Efa hitam-poko, hitam-pirenena
'Zato ditra sy tsy fahatsiarovan-tena
Ananako porofo sy vavolombelona
Porofo, tsy ho hadino, tsy ho levona
Nefa dia sahinao tsotra izao
Ny mandà ny fiampangana anao.

Sahy ianao lahy, tena sahy
'Ngamba tena efa maty fanahy
Ianao indray izao no he mila ady
Sy mandrahona ahy hoe "hifampitady"
Saingy tiana ianao, dia sahy mampijaly
Saingy ihafiana ianao, dia sahy mampirafy
Tohizo ary...nefa izao no tadidio :
Misy fetrany ihany koa, io fihafiako io !

062708102344F7
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
930 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0125