TIAKO (fanasina7)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tiako mbola ho tsapa mafy :
‘Lay sainao tena vonona,
Sahy, tsy hilonolona,
Hiatrika ady, hirifiry,
Hiaraka amiko : hikiry.

Tiako mbola hiantefa amiko :
‘Lay banji-maso miangoty,
Mihanta, toa te-hioty
Fitia madio anatiko ato,
Hokoloina mba ho kanto.

Tiako ho vakiana indray :
Sora-tànanao milamina,
Mampandri-maso, mampihamina,
Tsotra, tsy dia be filirony
Fa tsy hadino ny tandindony.

Tiako hotsantaina foana :
‘Zay tononkalo voaforona,
Atoba-pitia safo-morona,
Fa talenta nofohaziko ireny,
Hankafiziko, zary maty tsianjery.

Tiako hotazoninao tsy hiova :
Fiteny tsotra sy sariaka,
Tsy mifetoka, tsy masiaka,
Mampisy aim-panahy sy ainga vao,
Hanamafy foana ny fitia anao.

Tiako tsy hiova mihitsy :
Tsy hozarainao ny hafa na dia sombiny,
Na dia silany, na dia potiny…
‘Lay fonao novakiako fitia
Fa ny foko tia aty, mbola mankafy.
--------
Rohy:
795 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142