Ampy ho ahy ianao! (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ampy ho ahy ianao!!
Na mainty sy mahantra aoka izany
Na miloko toy ny arim bilany
Na ratsy koa ianao na tsara
Dia efa ianao no efa anjara

Ampy ho ahy ianao!
Sy izay hanananao
Efa hiononako izay misy
Fa tsy hitady izay tsy ho hisy

Na tsy nandalo fianarana
Sady tsy mba manana
Izay mba an ny hafa
Dia aoka holazaiko sy hambarako aminao
Tsy maka lavitra aho fa...
Ampy ho ahy ianao

Ny toetranao tsy kivy
Manefa ireo adidy
Miasa teran tsemboka
Izany manambara fa any andro iray
Mbola ho tafita isika
Hisondrotra ambony
Tsy hiaina izao intsony
Vonona aho hanampy
Ka n iza hanaratsy
Dia aleo ho fotsy rora
Fa ny antsika mandeha mora

Ampy ho ahy ianao
Ka tsy mila aho n iza n iza,na koa n aiza n aiza
Fa mandray aho raha sakaiza
Ampy ho ahy ianao
Izay tiako tsotr izao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1803 1
Mpakafy: mirabel
Hevitra mandeha
nouna432 ( 16/10/2005 13:00)
tena milay kosa ary tena omeko100%de mahereza e
fiaritiana ( 17/10/2005 10:17)
misaotra sy mankasitraka an i nouna de bisous bdb
zoky ( 18/10/2005 05:29)
Tena tsara e!Zany tokoa no tena FITIAVANA. Tohizo hatrany ny fanoratana Tononkalo fa tena havanana e! mankahery sy mankasitraka
fiaritiana ( 18/10/2005 11:45)
misaotra an i zoky nankahery de mirary soa anao koa!!
chouchou ( 19/10/2005 10:07)
misaotra e d mahereza @ zvt retra
fiaritiana ( 19/10/2005 10:48)
misaotra chouchou a!dia ho anao koa
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139