Ampy izay (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Nahoana no mipenipenina?
Mitady ny misy ahy indray
Angaha tsy efa vita hatreo
Sady efa leo aho; ampy izay

Ampy izay ny fijaliako
Niainako taona maro izay
Narian ny hafa angahaianao
Izay vao mitaditady ahy

Ampy izay, avelao aho
Niangavy aho tsy norarahinao
Amin izao ve tsy efa tara
Ka any an kafa manambara

ampy izay, tsy te hahita intsony
aleo hanasazy ny any ambony
aoka izay; mandehana
Vonjeo indray ilay akama

Misaraka ny lalantsika
Ampy izay, samy vita
Tsy hihaona intsony mandrakizay
Efa tsy anjara, aoka izay
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1894 0
Hevitra mandeha
Miarantsoa ( 03/12/2005 08:26)
Ampy ny hoe :"Ampy "
Diso ampy loatra indray
Raha 'njay nampianao hoe :"Izay"
"Ampy izay "....
Marina izay ...
Indraindray manko ny kapoaka rehefa feno rano loatra de tsy afaka mandray intsony hoe hitafotafo izany !
Marina izany : "Ampy izay "; efa niainako izany ry Fiaritiana!
fiaritiana ( 03/12/2005 13:41)
zany an!indrisy mantsy fa izay ny fiainana ry Miarantsoa a!tsy maintsy misy fetra indraindray!
misaotra anao aho dé mankahery anao hatrany koa!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1081