Aza... (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
aza lazaina amiko intsony
raha ny mombamomba azy
fa raha manina ny fony
dia jereo hono hoe ny sary

aza hambara ahy koa
hoe iza indray no olon tiany
fa mandratra fotsiny ny fo
raha izay no faniriany

aza ampitsahivina ahy akory
ny lasanay hatrizay
fa izy ireny efa natory
ka aleo tantara ho anay

aza miteny intsony ianao
raha mbola izy no resahana
fa efa tofoka aho sy lao
amin ny tsy fahitana hasambarana
--------
Rohy:
1561 2
Mpakafy: Arimalala - nyeja
Hevitra mandeha
nyeja ( 21/03/2005 07:52)
aza ... tena marina ny anao hoe aza lazaina ahy intsony ny momba azy, ...
nefa dia mialatsiny aminao aho ry fiantiana fa tsy haiko ny tsy hilaza aminao fa mbola hisy hasambarana azonao ianteherana any ho any na dia tsy ilay nantenaina aza no manolotra azy .
min'izay fotoana izay ianao dia mba hilaza hoe :

faingana andeha lazao
nahita olona aho
tsara sy bikaina
ambony raha toe-tsaina !
andeha ange lazao
lazao sy ambarao
nahita solony aho !
nitia ahy sy mampihanta
ka ireo rehetra lasa
adinoko avokoa
satria aho afa po
mianoka fitia
ka falifaly ery .

Ny Eja
fiaritiana ( 22/03/2005 18:01)
misaotra anao fa tena lehibe ny fankaherezanao
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014