You are here: home > Vetso

Aza avelanao!! - Fiaritiana

Azo vakiana?

Nosoratako manokana ho an ilay manana tsingerin-taona atsy ho atsy!

Aza avelanao handalo
Izao andro fetinao izao
Fa andao hihira sy hikalo
Izay vazo tianao

Aza avelanao hangiana
Ny tsingerin-taonanao
Fa asaivo tonga ireo izay tiana
Hiara-hifaly aminao

Aza avelanao hitomany
Ity fonao malahelo
Fa izaho na lavitra na any
Mahatsiaro foana rahateo

Aza avelanao ho rava
Ny fitiavako anao
Ary aza avela koa ho simba
Ireo voady izay natao

Sokajy : Fety

Hametraka hevitra

Midira aloha