You are here: home > Vetso

Dia mety ho adino ve? dia iza no hanadino........? - Fiaritiana

Dia mety ho adino ve?
Ireny lasantsika ireny
Lasa izay nandratra
Namela ireny fery
Ny lasa nampihomehy
Toa nampiteny irery

Dia mety ho adino ve?
Ka tsy ho tsaroana intsony
Izy ilay tia ahy
Nanolotra ny fony
Moa ve ho voafafa?
Nefa efa lalim-paka
Tsy hay fongarina intsony

Dia mety ho adino ve?
Ny tsiky izay natolony
Ireo oroka amin ny molony
Ilay izy tezitra iny
Ireo donginy fahiny

Dia iza no hanadino?
Izaho ve sa Izy???

Sokajy : Ahiahy

Hevitra mandeha

ayle (29/10/2007 18:47:54)

TSY MET HO ADINO NY FAHINY .NA IZY NA IZAO

Hametraka hevitra

Midira aloha