Fitiavana (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
fanomezana sy anjara
ka tsy tokony ho voarara
fanomezan Andriamanitra
omeo ny haja sy ny hanitra
fanomezan Janahary
ka tokony habaribary
fanomezam pahasoavana
ka tokony hankatoavina
fanomezan tsarobidy
ka tsy tokony amidy
fanomezam pahasambarana
ka tsy tokony ho somparana
fanomezam pifaliana
no nahazoako anao ry tiana
ary fanomezana tsy azo lavina
IZANY TOKOA NY FITIAVANA
--------
Rohy:
1962 1
Mpakafy: Arimalala
Hevitra mandeha
lianah ( 12/03/2005 15:28)
tsara dia trara tokoa ny tononkalonao.Mirakitra hevitra tena manandanja.Mampahery anao aho mba hahatsara hatrany ny talenta efa anananao.
fiaritiana ( 14/03/2005 13:41)
misaotra betsaka e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0138