Hadinonao aho........... (Fiaritiana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hadinonao aho!Hadinonao tanteraka
Ninianao tsy hita
Sa kosa efa vita?
Hadinonao aho!
Nodianao tsy nijery
Ireny lasantsika ireny
Nataonao hoe voafafa?
Hay ianao...efa an olon kafa
Hadinonao aho!
Izaho ve no adala?
Mbola hiantso anao malala
Mbola ekeko ihany izany
Toy ilay fitiavako mamy
Jamba aho fa aza omena tsiny
Ataoko ahoana ny hikipy, tsy hahatsiaro ny fahiny?
Sy hanery ity foko lasa hankahala anao?
Toa tsy mety izany saiko; tsy mety ka..aoka hijanona amin izao
Avelao aho hiandry eto
Ho rako pery , rakon tsento
Tena hadinonao ve aho?
Fa tsarovy any ho any , mbola misy fo mitempo ho anao
Misy olona iray tsy mitsahatra mitia
Ka any andro iray raha te hiverina ianao
Dia raisiko an tanan droa raha hiova vaovao
--------
Rohy:
Sokajy :
Ahiahy
Hevitra mandeha

jentilisa
(
06/09/2005 18:03)
fitiavana lahy izany? tena zakany ianao e! :)

fiaritiana
(
07/09/2005 21:11)
zany?
e!!mampalahelo ilay tononkalo
e!!mampalahelo ilay tononkalo

athina
(
26/09/2005 22:40)
ooaay e! tena maha lasa saina be le tononkalo

tiftif
(
27/09/2005 16:12)
afaka asiana feony ve io tonkalonao io

tiftif
(
27/09/2005 16:13)
afaka asiana feony ve io tonkalonao io

volana02
(
30/09/2005 16:01)
tena mitantara zavatra mihintsy izany tonokalon dry mety ny momba ahy.misento aho mamaky azy!!!!

fiaritiana
(
03/10/2005 13:41)
misaotra an i jentilisa,athina, tiftif ary volana 02 aho, atao ahoana fa tsy maintsy izay e!!
tiftif: afaka asianao feo raha tianao tsy maninona e dia henoko avy eo
volana 02:tsy maintsy misento indry rehefa mamaky ny tononkaloko e! satria mampalahelo daholo,hay misy an izany dia...mba lazao
tiftif: afaka asianao feo raha tianao tsy maninona e dia henoko avy eo
volana 02:tsy maintsy misento indry rehefa mamaky ny tononkaloko e! satria mampalahelo daholo,hay misy an izany dia...mba lazao