Hafatra farany (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Veloma ry malala dia aza manadino
Ity ny molotro oroy, ity ny tanako fihino
Iny peratra iny anie mamatotra anao na oviana
Manamarina ihany koa fa efa manana olon tiana

Eny izao ilay ora farany izay tsy azontsika lavina
Aza adino ilay tiana,aza adino ilay notiavina
Aza atao ankilabao, aza atao ambanin javatra
Fa raha misy tia anao, izaho mbola tia fatratra

Aza manaiky rebireben izay mba fakam panahy
Raha toa ka misy izany dia aza misaina afa tsy izaho
Ny foko ataovy an tsaina, Ny fitiavako jerena
Fa tsy ireo izay manam bola sy izay manana harena

Mino aho fa ampy anao izao hafatra izao
Tsarovy anie n aiza n aiza fa tiako foana ianao
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
2478 1
Mpakafy: rhayman
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142