Hay ve ... (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
hay ve sangisanginao ireny
fitorianao fitiavana
noraisiko tena izy
hay vazivazy izaitsizy
toa nandiso fanantenana
sady toa nampihanahana
hay ve izay taona maro izay
nilalaovanao ahy
izaho nandray tena matotra
ka tena voafatotra
hay ianao nahavita izany
tsy nampoiziko ho hanihany
voafitaka aho tamin iny
nefa ianao tsy niala tsiny
fa vao maika nanadala
naleoko tonga dia niala
--------
Rohy:
1072 1
Mpakafy: Arimalala
Hevitra mandeha
mbitaniavo ( 24/06/2006 06:07)
tsara kosa aloha le tonokalo e! saingy mampanembona be loatra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144