You are here: home > Vetso

iza loatra no migafy? - Fiaritiana

Azo vakiana?

tantely ity no lasa vahona
nainandro koa no nandrahona
maizina tokoa ity tany
rakofan izao tomany

mamy no lasa mangidy
izaho koa tsy manan tsafidy
fa dia mizaka sy miafy
iza loatra no migafy?

salama no lasa marary
fa dia nahoana ary izany?
sedra ve sa anjara?
nofy koa sa tantara?

toa tsy hisy fiafarany
raha izany rehetra izany
mba nantenaina tena izy
hay zavatra nangidy

Hametraka hevitra

Midira aloha