You are here: home > Vetso

Lasa ianao iny!! - Fiaritiana

Tsy maintsy misy fiafarany
Izao fiainantsika izao
Satria eto ianao androany
Rahampitso ianao handao
Handao ka lavitra ahy
Handao tsy ho hita intsony
Asa any andro iray,
Raha mbola hifanjohy
Ka ho mpinamana indray

Lasa ianao iny....
Ny anay ny sary no jerena
Ilay fiarahana fahiny
Nanjary toa nampahonena
Very namana ny teto
Sady very zoky koa
Ka ny hany sisa vetso
Dia ny "mahavità soa"
Amin izay ataonao any
Ka aza adinonao zahay
Fa ho namanao hatrany!

Sokajy : Namana

Hevitra mandeha

Mandefitra (09/12/2005 12:34:10)

Namana foana ka.Tsara be

fiaritiana (09/12/2005 22:01:40)

Mandefitra:misaotra e!

Hametraka hevitra

Midira aloha