Mbola ao ny Zanahary! (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Namako ianao satria
Eo anilako eo foana
Raha misy zavatra hanampiana
Mizara amiko izay rehetra
Fifaliana sy fahoriana
Mahafantatra tsiambaratelo
Fiononan ny malahelo
Tsy hamadika na oviana
Fa namana tena tiana

Olon tiako ianao satria
Nanolotra ahy ilay fitia
Ny fonao sy ny foko
No hifamatotra ho doria
Ilay fitiavanao maharitra
No indro toa tsy aritro
Fa nosamboriko malaky
Tsy nisy pentina na tasy
Dia izao isika izao
Hiara dia tsy hifandao
Ka ilay voady sy fepetra
dia ny hoe:
LAMBAN AKOHO KA AINA NO FETRA

Fahavaloko ianao satria
Mankahala sy manenjika
Izay zavatra ataoko
Tsy mba miaina am palalahana
Fa vao mikofoka dia avy
Hanaratsy sy hiantsy ady
Saro piaro sy mialona
Miditra loatra anaty lalina
Tsy ahoako anefa izany
FA MBOLA AO NY ZANAHARY!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
1336 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.031