Mbola tia anao izy!! (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Resaky ny mpinamana izy ity no natao tononkalo, ny iray manana olana, ny iray te hanampy!!
mazotoa ary mamaky e!!

A:Maninona e ianao no mitanondrika mangina
B:Mba maka saina fotsiny fa lavitr olon tiana
Mipetra drery eto aho izay no hitako fa mety
Avelao aho alahelo fa ny olona mifety
A:Tsy mety izany ataonao izany fa matoa aho manontany
Dia vonona aho ny hihaino sy hanampy anao hatrany
Atao inona ny namana tsy hizaraina ny ankaso?
Tsy mba hiezaka hampitony sy hamafa ranomaso?
B:Avelao aho irery foana fa izay no efa anjarako
Hamisavisa ny taloha, hanembona ireo tantarako
A:Nahoana kosa ange ianao no manda ny fanampiako?
B:Raha toa ary vitanao dia avereno ny olon tiako
Avereno eto anilako ka tsy hihetsika eto intsony
Mba ho ahy mandrakizay, mba ho ahy indray ny fony
Tsy misy intsony vahaolana raha tsy izay lazaiko izay
Satria ny fahatongavany sy ny fiverenany eto indray
Mitondra herim po, mivimbina herin tsaina
Manala ny hakiviana sy ny famoizana aina
A:Ny hany zava dehibe izay holazaiko anao
MBOLA TIA ANAO IZY ?izay no vaovao!!
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
2755 2
Mpakafy: zoky - llarissa
Hevitra mandeha
eh ( 07/10/2005 11:07)
mampalahelo b ilay izy kanefa atao ahona no famerenana ny efa lasa ê! "fampiononana mbola tia anao izy!"
lanto ( 12/10/2005 10:42)
njyyyy !!! :) aoka re ry fiaritiana !
nyeja ( 15/10/2005 05:12)
tsara akia an tiako be ilay fanaovan-
dry azy e
fiaritiana ( 15/10/2005 13:55)
misaotra betsaka indrindra an i eh sy lanto ary ny eja ny tenako
ny eja a!misaotra betsaka
volana02 ( 16/10/2005 17:03)
tsara tokoa ilay tonokalo mirary fahazotoana atrany ny tenako,mirary anao koa mba tafita @zavatra irina e!!!!
fiaritiana ( 17/10/2005 10:16)
misaotra an i volana02 aho mankasitraka foana ny tononkaloko
bizoroka bdb
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0145