You are here: home > Vetso

Moa mba fantatrao ve? - Fiaritiana

Azo vakiana?

moa mba fantatrao ve ? fa misy fo mitempo ho anao, nefa tsy fantatrao akory, tena babonao ny fony,
moa mba fantatrao ve? f efa naharitra ela izany, ka anio no hivononako, hamborahako azy anao,
moa mba fantatrao koa ve? hoe marary loatra ity foko, mahita anao tia olon kafa, ka aza avelanao haratra
...... a ! tiako ange ianao, aleo hazava ny tantara, efa ela aho niandry anao , ilay bikaina , tena tsara
mba fantaro amin izay, ny ato anatiko rehetra, ka ho afoiko anao daholo, ny fitiavako tsy manam petra

Hevitra mandeha

johan (29/04/2005 08:14:33)

Efa somary tsikaritro ihany
Tamin’rony fihetsikao
Fa nataoko ho hanihany
Ilay fitiavanao

Eny, fantratro tokoa
Saingy, modiako nody adala
Fa zao aho vao nifoha
Ka hiantso anao “Malala”

nikopol (02/05/2005 10:25:08)

marina ve zany akia ? lol

fiaritiana (02/05/2005 18:21:39)

aaa, olon kafa io

johan (06/05/2005 08:57:53)

iza io amin'io?

fiaritiana (06/05/2005 12:50:25)

ankizy hafa no niteny hoe mba hanoraty ny mombamomban ny ohatra izao aho dia nataoko ho azy

llarissa (08/11/2005 23:31:47)

fifi ah!!! akizy iza no nantany an i zany

Hametraka hevitra

Midira aloha