Nahoana...? (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nahoana ianao no olon tiako?
ka nanjary faniriako
dia niara niaina hatrany hatrany
tao anaty fitiavana mamy

nahoana ianao no fijaliako?
nandratra fo , nitomaniako
tsy nifanara po ; nisaraka
ranomasoko niraraka

nahoana ianao no tsy miala?
ato am poko ry malala
fa mielo foana ato an tsaiko
ka mandreraka ny aiko

fa nahoana kosa hoy aho
izany haratsiam panahy
toa tsy haiko hadinoina
sady sarotra vonoina

nahoana ianao no nifikirana?
nefa avy eo aho nandosirana
lasa , tsy hita fa nisitaka
izaho tavela sy voafitaka
--------
Rohy:
1130 2
Mpakafy: sakapiso - mirabel
Hevitra mandeha
nirina02 ( 07/04/2005 09:37)
mahay an
tohizo e
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.015