Ndeha avadiko ny pejy (Fiaritiana)

Nantsain'i hery
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ndeha avadiko ny pejy,

Fa efa reraka ny saiko
Sady efa valaka ny aiko
Ny foko tsy mitempo intsony
Ny maso tsy mahita tory
Mieritreritra azy foana
Nefa izy mba ahoana?

Ndeha avadiko ny pejy,

Fa mijaly aho kotsan dranomaso
Manoloana ireto ankaso
Irery tsy manan kofihinina
Miaina lava anaty nivakinina
Mangidy ka tsy maintsy hohanina
Izay atao rehetra tsy mety vanona
Ka...

Ndeha avadiko ny pejy,

Fa mety izay no vahaolana
Miova ny lalana hizorana
--------
Rohy:
Sokajy : Fisarahana
1734 1
Mpakafy: nikopol
Hevitra mandeha
nikopol ( 24/08/2005 18:01)
ary neveriko fa efa nivadika ela ny pejy!
sa nisy lakoly lol
tsara fa nomeko isa 5
fiaritiana ( 26/08/2005 18:18)
misaotra sy mankasitraka an i Niko e
vetsoko ( 17/10/2005 15:00)
Adinoy,
raha azonao atao
soloy.
dia aleveno anaty lalina,
aza tsarovana akory
na dia zava-marina,
iny efa vita
f'ianao tsy maintsy miarina,
maninoa moa!!!
olon-kafa indray fantarina

...tsoa
fiaritiana ( 08/11/2005 19:14)
zany ve ry vetsoko?misaotra ihany aloha na de tamin izay fotsiny aza e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0584