Ny fitiavako azy (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny maraina vao mifoha
indro fa mihelo ao an-doha
ny endrikao ry olon-tiako
tokako sy faniriako

izy ilay voaloham-pitia
tiako ho ahy doria doria
ka na hisy ny "barazy"
tsy hampiova ny fitiavako azy

ny tsikitsikiny sariaka
sy ireo longilongy koa fahita
tsy hadinony ny vazivazy
izy mampitombo ny itiavako azy

ka raha hisy ireo olona
izay mitady hampiditra olana
hotsarovako ho azy
ireo antony itiavako azy
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
4188 1
Mpakafy: li1234
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147