Ny fitiavanao (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tsy nampoiziko hoe ianao
no namboraka ahy fitiavana
fa ho namana tsotr izao
ny antony niarahana

ianao nandray hoe anabavy
izaho nanao toy ny anadahy
nefa tampoka toa resaka vady
fitiavana no natolotra ahy

ny fitiavanao nekeko ihany
satria atao ahoana indray?
raha mbola eto an tany
ny hanadino izay vita izay?

nanjary mamy ilay fitiavana
nolalaiko ,nankafiziko
dia natao ho tomandavana
ny niandohany tsy ho adinoko
--------
Rohy:
1429 1
Mpakafy: marcocofa
Hevitra mandeha
marcocofa ( 07/11/2006 17:02)
tena tsara be io tonokalo io fa tena marina mintsy misaotra anao nandefa an io
rivorazafy ( 08/11/2006 12:12)
tsy ratsy aloha ilay tononkalo e!fa tsy dia mazava amiko loatra ny hevitra lazainao amin'ny farany.ny fitiavana koa anefa azo ovaina endrika soa aman-tsara na efa nifandray toy ny mpianadahy aza ianao sy ilay olona
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136