You are here: home > Vetso

Tiako raha ianao... - Fiaritiana

Tiako raha ianao,
No mamihina ny tanako
Manilo izato lalako
Hatrany am-paradisa
Sy izay rehetra tsy hita

Tiako raha ianao,
No mampianatra ahy mitia
Tsy ilay hoe tiako ianao
Fa ilay fitiavana maharitra
Madio sy mahafinaritra
Mateza ho doria

Mbola tiako raha ianao,
No mibedy sy manoro
Rehefa misy ny hadisoana
Ampianaro ahy ny mifona
Satria tiako raha ianao
No tia ahy foana ohatra izao!!

Sokajy : Fitiavana

Hevitra mandeha

Mandefitra (11/11/2005 07:40:39)

Mafinaritra

fiaritiana (11/11/2005 11:49:34)

mankasitraka an i Mandefitra fa ny tononkalonao koa dia mahafinaritra avokoa

Hametraka hevitra

Midira aloha