Tsy fiainana izany (Fiaritiana)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
raha fifaliana no hiainana
ka tsy misy zavatra hitarainana
raha tsisy koa ny alahelo sy tomany
dia hoy aho hoe tsy fiainana izany

raha masoandro foana no miposaka
ka tsisy orana hirotsaka
raha tsisy fijaliana eto an tany
dia milaza aho fa tsy fiainana izany

raha olona no tsy marary
satria izany voajanahary
raha ny fitiavana no tsy mampijaly
dia manambara aho fa tsy fiainana izany

ka raha hasambarana foana no misesisesy
dia hoy aho hoe TSY FIAINANA IZANY LEHIRETSY
--------
Rohy:
967 1
Mpakafy: Arimalala
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0143