Tsy haiko aloha aho raha diso!! - Fiaritiana
Azo vakiana?
Tsy nampiraika anao intsony ve?
Ny fitiavako anao
Amin izao fotoana izao
Toa lasa mangatsiaka
Tsy nampitsiriritra
Toy ilay taloha ireny
Tsy haiko aloha ny antony
Mbola tsy hita ny votoatiny
Fa tsapako ato anaty
Efa mitady tsy ho tanty
Fa marary hiafiana ihany
Ka aleo aloha manontany
Efa ataoko ny azo atao
Izay ampifaliana anao
Nefa toa ny eo ihany no eo
Tsy mbola henoko ilay feo
Manamafy hoe: tiako ianao
Ary mbola tiako hatramin izao
Tsy haiko aloha aho raha diso
Fa aleo hamantatra ny ampitso!!
Sokajy :
Ahiahy
Mombamomba
Mpanoratra : Fiaritiana
Nampiditra : fiaritianaDaty : 21/11/2005
Mpamangy : 1560
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
Ny fitiavako azySao ianao dia efa tsy tia ahy intsony.
Fo marĂ tra
Tia anao aho...
Iny fitiavako iny
Dans un instant
Fandeferana
Tia sy Tiana
Tsy mijanona eo...
Anio...