You are here: home > Vetso

Vavaka - Fiaritiana

Aza adinonao ny vavaka
Ry malala, tiako izany
Fa na tafita na solafaka
Ka na tezitra na faly
Aza atao ambanin javatra
Tsarovinao ny Zanahary
Malahelo ianao androany
Fombam piainana izany
Aza kivy , mahereza
Io fijalianao io tsy hateza
Fa mandalo fotsiny ihany
Isaory izy ka derao
Ny amin ny andronao rehetra
Sy amin ny zavatra atao
Fa lehibe ny fitiavany
....Tsy misy fetra

Sokajy : Vavaka

Hevitra mandeha

proost (21/11/2005 12:31:31)

dia gaga aho @ hakanton'ny sanganasanao
tohizo hatrany eee!!
proost

fiaritiana (21/11/2005 14:15:56)

misaotra sy mankasitraka an i proost ny tenako de mirary anao koa aho ho lasa lavitra amin ny fanoratana e!
fiaritiana

fo2 (23/11/2005 12:30:38)

tena tsara ilay tononkalo satria mampahery sy mampianatra

fiaritiana (23/11/2005 14:18:10)

misaotra indrindra an i fo2 e! de atolotro anao sy ny namana rehetra io tononkalo io an

RAILOVY (11/10/2006 10:50:20)

misaotra be anao fiaritiana fa tena nampahery be le tononkalonao. tohizo fa tsara !

Hametraka hevitra

Midira aloha