AFAKA ORA IRAY (Fidy Art Niaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Minitra folo in'enina no hany sisa andrasako dia hiombona isika.Ora sarobidy anatin'ilay andro tsy manam-paharoa.
Andro iray toa zato, andro hananganana ny fitiavantsika,
fa sady hisoratra arapanjakana no hohamasinina ihany koa...
Ry vadiko malala ! Efa kely sisa dia ho to ny nofintsika,
telo arivo sy eninjato sekaondra fa tsy ela intsony.
Ny tontolo andro anio hofenoina tsiky, dihy, kalo sy mozika,
ary an'io koa no hisambatra sy hisantatra ny habaka eny ambony...
Ka malakia malala fa izaho tsindrindaona sy efa he mangitakitaka !
Toa te hitomany fa tena faly loatra nahazo anao ho tiana.
Hotononiko eto an'io ilay voady avy ampoko, fitia tsy misy fitaka,
fa hitia sy hanaja anao aho, ka ny tokantranontsika dia hiorenam-pifaliana.
Isaorako ilay Ray nanolotra ahy anao sy nanakambana antsika
Faly anie aho malala, tretrika tokoa fa tojo anao anjarako.
Dia ny fitiavantsika? Ho lamban'akoho fa tsy ho sary indray mipika.
Fa fitiavako, eny, ianao; ilay antony hivelomako sady ho renin-janako
Fidy Art Niaina - 07 Oktobra 2024 - 21h37
--------
Rohy:
Mpakafy:
Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art NiainaNampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 26/02/2025 08:54
