AINGAMPANAHY FAHAVARATRA - Fidy Art Niaina
Azo vakiana?
Ao anaty kotrobaratra
No hanoratako ity kaloko ity
Alin-diavolana mitomara-taratra
Eto amoron'ny farihy
Ny tontolo mikalo fitia
Namorona voady sy teny filamatra
Nifanome toky ny ho doria
Eo ambanin'ny vintana sy lahatra
Toa mamiko loatra
Ny anilanao
Ka na hatrany Ankoatra aza
Tsy hifandao
Fa hiaraka foana
Hifampitanatana hatrany
Ka tontolo mangina sy moana
Hanaja antsika amin'izany ora izany
Orana mikija no manafy antsika
Nefa tsy ahoako izany
Fa ny tara-tselatra amin'ny masonao balika
No manome hery ahy hatrany
Ilay farihy somary manonja
Ny kotroka, orana sy ny tselatra
Mahatonga ilay fitia mihamafonja
Ka andeha isika rahavako hikopak'elatra
Ademar Mivetso
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : Fidy Art Niaina

Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 27/07/2019
Mpamangy : 285
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
TSY HO FOANATOKANA
Ny Tononkirako
NY NAMPISY ANAO ETY
ILAY FASANA HO LAPAKO
ALEOKO MATY
VELOMA RALALA
TSISY INTSONY
ANTSO
MBOLA MIANDRY