ALEOKO MATY - Fidy Art Niaina
Azo vakiana?
Mafy loatra tena mila tsy ho tanty
Ny fahareseko no hita miranty
Izay mahita rehetra toa manakora
Ka aleoko hafainganina ho tapitra ny ora
Hitsara ahy ianao hoe tsisy herin-tsaina
Tsy vitako ny manohitra ireo olan-tsedraina
Ry olom-belona tsisy fitserana
tsy eo aminao tokoa, mantsy, ny toerana
Tsy vato latsaka ka tsara taty
Fa disaky ny alahelo aho ka aleoko maty
Ity no solon'ny fampandrenesana
Fa efa atomotra ahy Rafahafatesana
Fidy Art Niaina
Mombamomba
Mpanoratra : Fidy Art Niaina

Nampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 13/09/2019
Mpamangy : 464
Mankafy : 1
Tononkalo hafa
NY LASA NIARAHANA LEITSY AIRIKO
HERIM-PITIA
TSY HO FOANA
TOKANA
Ny Tononkirako
NY NAMPISY ANAO ETY
ILAY FASANA HO LAPAKO
VELOMA RALALA
TSISY INTSONY