FAMOIZAM-PO (Fidy Art Niaina)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy mino ny saiko,tsy mino aho r'Iaiko
f'ianao ilay lalaiko
no lasa nandao
fa nahita vaovao,
ka nametrapetraka.
Mafy fa zakaiko.
Tsy kivy; tsy ketraka,
mijoro ho lehilahy
na dia ory fanahy.
Misento mangina
fa be fanahiana
nilaozan'ny tiana.
Injao vonton-tsento sy alahelo,
embona sisa no mamelovelo
omban'ny tomany
mijohy mikoriana.
Koa veloma ry tany !
Mantsy, tsy tantiko ny hitsiriritra...
Ny ranomaso aza moe efa ritra.
Mankahery tena
ity Foko honena.
Ilay fitia volamena
nolalaiko fatratra
no very any an-tatatra.
Tsy tiako horenesina
hoe lefy sy nihena
toa vy arafesina.
Ka aleoko hody any amin'ny mandrakizay
Ho sambatra, hiaina eo anilan-dRay
Ademar Mivetso - Mey 2017
--------
Rohy:
Sokajy :
Famoizam-po - Fitiavana
Mpakafy:
Fidy Art Niaina
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : Fidy Art NiainaNampiditra : Fidy Art Niaina
Daty : 26/02/2025 08:58
