FARASENTO (Fidy Art Niaina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Raha sendra nikopaka nivoivoy
Izany elatrao re ry vorona irony
Te hiriaria tsy misy roiroy,
Angamba tsy te hiverina intsony?

Tsy maninona... Soava!
Tsara tso-drano ka etsy 'ndehana!
Ny jaly toy izao efa fiainako lava
Ny tomany dia rano fisotro mazàna

Ndehana e! Ndehana...
Jereo sy isidino habaka vao!
Na tena tia aza tsy afaka hitana.
Ndehana raha eny no hahasambatra anao!

Izaho kosa avelao!
Avelao hitanisa ny nisy rehetra.
Hahatsiahy ny fiadanana tanilanao;
Saingy hasambarana iray nisy fetra.

Satria isika alahatra ihany!
Ka etsy 'ndehana! Tsy hotanako akory!
Hofaoko mora ny maso tomany.
Dia hakipiko hisantatra ity fara-tory.

Fidy Art Niaina - 24 Aprily 2023 - 21h11
--------
Rohy:
Sokajy : Marsa 2024
767 17
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0154